Ndao itsangana

Ianao olompirenena tsotra izay mahatsapa fa nohitsakitsahin'ny mpanao politika amin'ny fangalarana sy fanamparam-pahefàna ny fanana iombonantsika nandritra ny 58 taona,

Ianao izay leo ataon'ireo mpanao politika takalonaina isak'izay ifandimby haka fitondràna ireo,

Ianao izay mahita fa mifampiaro sy mifampitsinjo ny mpanao politika, nefa tsy sahy mijoro manohitra izany fiarahamonim-pirenena. Ary tsy sahy mandray ny andraikiny ny mpitsara sy ny mpahay lalàna,

Andaho isika anangona sonia dia angataka :
1. Ny tsy hisian'ny tsy maty manota intsony eo anivon'ny mpitondra ka ho azon'olon-tsotra arahi-maso sy toriana ary tsaraina toy ny olon-tsotra ny mpitondra fanjakàna rehetra manaraka eo manomboka izao.
2. ny ahafahan'ny fitsaràna tsotra mitasra ny eloka vitan'ireo mpitondra rehetra nandika lalàna, nanararaotra fahefàna, nanao na nampanao kolikoly anabotry ny firenena.


Andrianjo Razanamasy    Contacter l'auteur de la pétition